Song of Solomon 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa irỳ miakatra avy any an-tany efitra tahaka ny andry setroka sady manitra miora sy ditin-kazo mani-pofona mbamin’ny vovo-javamanitra samihafa entin’ny mpivaro-mandeha?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza izato miakatra avy any an’efitra, tahaka ny setroka mijoalajoala, manitra mira aman’emboka, mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?
Malagasy Bible 1865
Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa irỳ miakatra avy any an-tany efitra tahaka ny andry setroka sady manitra miora sy ditin-kazo mani-pofona mbamin’ny vovo-javamanitra samihafa entin’ny mpivaro-mandeha?
malagasy
[Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?