Song of Solomon 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitana sabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny fehikibony avy noho ny tahotra amin’ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
samy mitan-tsabatra avokoa, ary zatra ady. Samy eny am-balahany avy, ny sabany, hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mirongo sabatra avokoa ireo sady efa voasedra hiady. Misakelika ny sabany avy izy hiatrehana fanairana amin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitana sabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, ary samy mitondra ny sabany eo amin’ny fehikibony avy noho ny tahotra amin’ny alina.
malagasy
An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.