Song of Solomon 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre, tsara tarehy ianao, Rahavako! Endre, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia toy ny an’ny voromailala eo amin’ny fisalobonanao; ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina ny tendrombohitr’i Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao. Masom-boromahailala ny masonao saronan’ny voalinao; ny volonao toy ny andian’osivavy, miantsampitsampy eny ankisolosolon’ny tendrombohitr’i Galaada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsara tarehy ianao, rahavako; eny, tsara tarehy ianao! Mahafinaritra toa voromahailala ny masonao anatin’ny voalinao; ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy midina ny tendrombohitra Gilehada.
Malagasy Bible 1865
Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre, tsara tarehy ianao, Rahavako! Endre, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia toy ny an’ny voromailala eo amin’ny fisalobonanao; ny volonao dia tahaka ny andian’osy izay miriotra midina ny tendrombohitr’i Gileada.
malagasy
Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto]