Song of Solomon 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay! Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamy tokoa ny safosafonao, ry havako fofombadiko; fy tokoa ny safosafonao, eny, fy mihoatra noho ny divay; ary ny ilomanitrao dia mahasintona ahy mihoatra noho ny zava-manitra hafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay! Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra!
malagasy
Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]