Song of Solomon 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, koa amin’ny milenti-masoandro dia handeha ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoanan’ny ditin-kazo mani-pofona aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro, sy hahalasanan’ny aloka dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho, sy ho eny amin’ny havoan’ny emboka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro, dia tapa-kevitra aho ny handeha ho etỳ an-tendrombohitrao mandraraka miora sy ho etỳ an-kavoanao mamerovero zava-manitra.
Malagasy Bible 1865
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, koa amin’ny milenti-masoandro dia handeha ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoanan’ny ditin-kazo mani-pofona aho.
malagasy
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]