Song of Solomon 4:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avia hiaraka amiko avy any Libanona, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona; mitazàna avy eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy i Hermona, lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko, avia hiaraka amiko, avy any Libàna! Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna, avy eny an-tampon’i Sanira sy i Hermôna, avy any amin’ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andao hiaraka amiko, ry fofombadiko; ialao i Libano ka andao hiaraka amiko. Hidina avy eny an-tampon’i Amanà ianao, ary hidina avy eny Senira sy Hermôna. Andosiro ireny fa toeram-pieren’ny liona sy tendrombohitra fiafenan’ny leôparda.
Malagasy Bible 1865
Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avia hiaraka amiko avy any Libanona, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona; mitazàna avy eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy i Hermona, lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
malagasy