Song of Solomon 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; mioty ny miorako mbamin’ny balisama aho; efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko. Mihinàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin’ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. «Mihinàna ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.»
Malagasy Bible 1865
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; mioty ny miorako mbamin’ny balisama aho; efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko. Mihinàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
malagasy