Song of Solomon 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny masony dia tahaka ny an’ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, mandro amin’ny ronono sady tahaka ny vatosoa nalatsaka an-tranontranony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny masony tahaka ny voromahailala amoron-tsakeli-drano, mandro amin’ny ronono, mipetraka amin’ny morona,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny masony dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala mitaratra eo amoron-drenirano; ny voamasony toa mandro eo anivon-dronono, sady toa mipetraka anaty vatakely.
Malagasy Bible 1865
Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny masony dia tahaka ny an’ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, mandro amin’ny ronono sady tahaka ny vatosoa nalatsaka an-tranontranony.
malagasy
Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.