Song of Solomon 5:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natory aho nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! Ny feon’ny malalako, izay mandondòna hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema fa vonton’ando ny lohako; ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko... Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy: - Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako, ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina; fa vonton’ny ando ny lohako, kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»
Malagasy Bible 1865
Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natory aho nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! Ny feon’ny malalako, izay mandondòna hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema fa vonton’ando ny lohako; ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina.
malagasy
[Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko]