Song of Solomon 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; very hevitra tamin’ny fitenenany teo am-baravarana aho; nitady azy aho nefa tsy nahita; niantso azy aho nefa tsy novalìny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namoha trano ny malalako aho; kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy. Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy. Nitady azy aho, nefa tsy nahita; niantso azy, nefa tsy novaliany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vohako varavarana ny malalako, kanjo efa nihodina izy ka lasa. Mivoaka ny trano hanenjika azy aho; dia tadiaviko izy fa tsy hitako, ary antsointsoiko fa tsy mamaly.
Malagasy Bible 1865
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; very hevitra tamin’ny fitenenany teo am-baravarana aho; nitady azy aho nefa tsy nahita; niantso azy aho nefa tsy novalìny.
malagasy
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.