Song of Solomon 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita ahy ny mpiambina izay mandehandeha manao andrimaso eny an-tanàna, dia nikapoka sy nandratra ahy; ary nesorin’ireo mpiambina ny manda ny lamba fisaonako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifanehatra tamiko ny mpiambina, dia ireo izay nisafo ny tanàna alina; ka nokapohiny nataony mangana aho; nendahan’ireo mpiambina ny manda ny lambako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo mpiambina misafo ny tanàna no tojo ahy; dia mikapoka sy mandratra ahy ireo mpiambina manda ireo ary manendaka ny lamba saly teny amiko.
Malagasy Bible 1865
Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita ahy ny mpiambina izay mandehandeha manao andrimaso eny an-tanàna, dia nikapoka sy nandratra ahy; ary nesorin’ireo mpiambina ny manda ny lamba fisaonako.
malagasy
Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.