Song of Solomon 6:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina izay tsara tarehy tahaka ny volana, mamiratra toy ny masoandro nefa sady mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Fa iza moa io vehivavy io izay manjelanjelatra toy ny maraina sady tsara tarehy toy ny volana sy mamirapiratra toy ny masoandro ary mahatalanjona toa andian-kintana?»
Malagasy Bible 1865
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina izay tsara tarehy tahaka ny volana, mamiratra toy ny masoandro nefa sady mahatahotra toy ny andia-miaramila mitondra faneva?
malagasy
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?