Song of Solomon 6:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lasa nidina nankany an-tsaha misy ny hazo fihinam-boa aho, hijerijery ny zava-maitso eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamòny ny ampongabendanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
Malagasy Bible 1865
Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lasa nidina nankany an-tsaha misy ny hazo fihinam-boa aho, hijerijery ny zava-maitso eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
malagasy
Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.