Song of Solomon 6:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tokana kosa ny voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavitokan’ny reniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny tovovavy izay nahita azy dia nilaza azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vady tsindrano ka nidera azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina; vavy tokan’ny reniny, zokim-pitian’ilay nahitany masoandro. Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra; ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa vehivavy iray ihany no voromahailalako, dia ilay voromahailalako tsy misy tomika, vavitokan’ny reniny sady zanany tiany indrindra. Ireo vehivavy hafa izay mahita azy dia manambara azy hoe sambatra; ary ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano dia samy midera azy manao hoe:
Malagasy Bible 1865
Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tokana kosa ny voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavitokan’ny reniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny tovovavy izay nahita azy dia nilaza azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vady tsindrano ka nidera azy.
malagasy