Song of Solomon 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia aoka hifoha vao maraina ho any an-tanim-boaloboka isika; aoka hozahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, raha mivelatra ny voniny, ary raha mamony ny ampongabendanitra. Any no hanehoako ny fitiavako anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika, ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka, raha mivelatra ny tsiriny, raha mamòny ny ampongabendanitra; ary homeko anao ny fitiavako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hankany an-tanimboaloboka isika, dieny vao maraina ny andro, hijery raha mitsimoka ny voaloboka na efa mivelatra ny voniny, ary mamelana ny ampongabendanitra. Any no hanomezako safosafo anao.
Malagasy Bible 1865
Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao. Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia aoka hifoha vao maraina ho any an-tanim-boaloboka isika; aoka hozahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, raha mivelatra ny voniny, ary raha mamony ny ampongabendanitra. Any no hanehoako ny fitiavako anao.
malagasy
Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]