Song of Solomon 7:14 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamerovero tsara ny dodaima, sady eo am-bavahadintsika dia misy voankazo tsara samihafa, na ny vao na ny ela; efa notahiriziko ho anao ireo, ry malalako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mamerovero ny hanitry ny mandragora, ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra, na ny vaovao na ny tranainy: notahiriziko ho anao izany, ry malalako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihanaka ny hanitry ny paomam-pitiavana. Ary eo am-baravarantsika avokoa ireo voankazo matsiro, na ny vao na ny ela; samy atokako ho anao ireny, ry malalako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamerovero tsara ny dodaima, sady eo am-bavahadintsika dia misy voankazo tsara samihafa, na ny vao na ny ela; efa notahiriziko ho anao ireo, ry malalako.
malagasy
Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]