Song of Solomon 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Endre! Maha te hijery ny famindran’ny tongotrao manao kapa, ry zazavavy, zanaky ny manamboninahitra! Ny manodidina ny andilanao dia tahaka ny firavaka izay nataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa, ry zanaka vavin’andriandahy! Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado, asan-tanan’ny mpahay zavatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Endrey, ry ilay zanakavavin’olom-banona, ny hatsaran’ny tongotrao mikapa! Ny amboampenao dia toa fehivozona izay sangan’asan’ny mpahay taozavatra.
Malagasy Bible 1865
Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Endre! Maha te hijery ny famindran’ny tongotrao manao kapa, ry zazavavy, zanaky ny manamboninahitra! Ny manodidina ny andilanao dia tahaka ny firavaka izay nataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra.
malagasy
Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]