Song of Solomon 8:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana tanim-boaloboka tao Baala-Hamona i Solomona; nahofany tamin’ny olona mpiandry voly io tanim-boaloboka io ka samy tsy maintsy mitondra sekela volafotsy arivo ho solon’ny vokatra ao ny tsirairay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamôna i Salômôna, napetrany tamin’ny mpiandry voly ny tanimboaloboka. Ary ny solom-bokatra aloa ho azy, dia arivo sikla isan’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manan-tanimboaloboka iray ao Bahala-Hamôna i Salômôna; nahofany tamin’ny mpiandry voly izany ka sekela volafotsy arivo no sandany.
Malagasy Bible 1865
Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.