Song of Solomon 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-tany efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo paoma no namohazako anao; teo no niterahan’ny reninao anao, eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao, teo no torontoronina anao ireninao. Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra mitehina amin’ny malalany? Eo ambanin’ny hazo paoma no amohazako anao, fa toerana nahatorontoronina anao sy toerana niterahan-dreninao anao.
Malagasy Bible 1865
Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-tany efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo paoma no namohazako anao; teo no niterahan’ny reninao anao, eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao.
malagasy
[Ny nandehanany ho any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.