Song of Solomon 8:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ataovy eo ambonin’ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.
Malagasy Bible 1865
Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty* ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO.
malagasy
Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola]