Song of Solomon 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana, ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy; na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana dia hatao tsinontsinona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia ny ranomasimbe aza tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana; ary ny ranoben’ireo ony tsy mahasarona azy ho rendrika. Na dia misy aza olona hanome ny fananany rehetra ao an-tranony mba hividianana ny fitiavana, dia ho afa-baràka fotsiny izy.
Malagasy Bible 1865
Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana, ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy; na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana dia hatao tsinontsinona izy.
malagasy