Titus 1:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa samy voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Malagasy Bible 1865
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa samy voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
malagasy
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.