Titus 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy ireny nefa mandà Azy amin’ny asany. Olona tsy maha te ho tia sady mpikomy ary tsy mahavita asa tsara na dia iray aza izy ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy ireny nefa mandà Azy amin’ny asany. Olona tsy maha te ho tia sady mpikomy ary tsy mahavita asa tsara na dia iray aza izy ireny.
malagasy
Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.