Titus 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no namelako anao tany Kreta dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka, ary hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka izay nandidiako anao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Navelako tany Kreta ianao mba handaminanao izay mbola tokony halamina ary mba hanendrenao loholom-piangonana isan-tanàna, araka ny fepetra nomeko anao:
Malagasy Bible 1865
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no namelako anao tany Kreta dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka, ary hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka izay nandidiako anao:
malagasy
[Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [ Gr. presbytera]