Zechariah 1:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly ilay anjelin’ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: «Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.»
Malagasy Bible 1865
Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia niteny tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO* izay nijoro teny amin’ny rotra hoe: Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay, ary indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fehizay.
malagasy
Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]