Zechariah 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ilay anjely hoe: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, indro fitopolo taona izao no nirehetan’ny fahatezeranao tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanàna hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin’izy ireo?»
Malagasy Bible 1865
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?
malagasy