Zechariah 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Miredaredam-pitiavana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitra Tsiôna Aho,
Malagasy Bible 1865
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona* Aho.
malagasy
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.