Zechariah 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho; ny tranoko dia haorina eto, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny kofehy fandrefesana dia hohenjanina eto Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho; ny tranoko dia haorina eto, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny kofehy fandrefesana dia hohenjanina eto Jerosalema.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.