Zechariah 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
Malagasy Bible 1865
Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.
malagasy