Zechariah 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny teniko sy ny didiko izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Dia niverina izy ireny ka niteny hoe: Araka izay nosainin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hatao amintsika araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny teniko sy ny didiko izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Dia niverina izy ireny ka niteny hoe: Araka izay nosainin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hatao amintsika araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
malagasy