Zechariah 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany:
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:
malagasy
[Fahitana voalohany: ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe: