Zechariah 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangataha ranonorana amin’NY TOMPO ianareo amin’ny andron’ny faraorana! NY TOMPO no manao ny oram-baratra. Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mangataha amin’i Iaveh ny ranonorana amin’ny lohataona. Satria fa i Iaveh no manao ny helatra; ka homeny ranonorana be izy ireo, ary ahitra, eny an-tsahan’izy rehetra tsirairay avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mangataha amin’ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo
Malagasy Bible 1865
Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangataha ranonorana amin’NY TOMPO ianareo amin’ny andron’ny faraorana! NY TOMPO no manao ny oram-baratra. Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
malagasy