Zechariah 10:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony. Haetry ny avonavon’i Asiria, ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily. Dia haetry ny avonavon’i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta.
malagasy
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.