Zechariah 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.
Malagasy Bible 1865
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny terafima* dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.
malagasy
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]