Zechariah 10:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitra tamin’ny mpiandry ny fahatezerako, ary hofaiziko ireo osy lahy! Fa i Iavehn’ny tafika mamangy ny ondriny, ny taranak’i Jodà, ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin’ny ady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako ary ireo osilahy no hovaliko; Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namangy ny taranak’i Joda, ondry andrasany, ka manao azy toy ny soavaliny miravaka ao amin’ny ady.
malagasy