Zechariah 10:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady; hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh, ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dàlambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.
Malagasy Bible 1865
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.
malagasy
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.