Zechariah 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hovonjeko ny taranak’i Josefa ka hampodiko indray, satria mamindra fo aminy Aho ka ho toy izay tsy nariako izy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny ka hihaino azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hohatanjahiko ny taranak’i Jodà, ary hovonjeko ny taranak’i Josefa; hanangana azy indray Aho, fa mangoraka azy ireo; ary ho toy ny tsy nariako akory izy, fa i Iaveh Andriamaniny Aho, ka hihaino azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa; dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hovonjeko ny taranak’i Josefa ka hampodiko indray, satria mamindra fo aminy Aho ka ho toy izay tsy nariako izy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny ka hihaino azy.
malagasy
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]