Zechariah 10:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia hafafiko any amin’ny Jentilisa aza izy dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra; samy ho velona izy mbamin’ny zanany ary hiverina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nafafiko tany amin’ny firenena izy, ka mahatsiaro Ahy any an-tany lavitra, dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny fanaparitaka voa famafy no nanelezako azy tany amin’ny firenena; fa na dia any lavitra any aza ireo dia hahatsiaro Ahy ihany. Any izy no hiaina miaraka amin-janany, kanefa avy eo dia hiverina indray.
Malagasy Bible 1865
Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia hafafiko any amin’ny Jentilisa* aza izy dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra; samy ho velona izy mbamin’ny zanany ary hiverina.
malagasy
Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy, dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]