Zechariah 11:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy aho taminy: «Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana.» Dia nolanjain’izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy aho tamin’ireto mpanondrana ondry: –Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany. Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.
malagasy
Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.