Zechariah 11:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
malagasy
Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.