Zechariah 11:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry, satria rava ny voninahiny; re mieronerona ny liona tanora, fa rava izay nireharehan’i Jordany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy ny fidradradradran’ny mpiandry firenena fa nihintsana ny voninahiny. Henoy ny fieroneron’ny liona, fa rava ireo kirihitrala nireharehany teny amoron’ny ony Jôrdàna.
Malagasy Bible 1865
Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron 'i Jordana
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.
malagasy
Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron'i Jordana [heb. reharehany]