Zechariah 11:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay vonoin’ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon’ny mpivarotra azy hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh fa mitombo harena aho!› Ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: «Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay!» Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy.
Malagasy Bible 1865
dia ireo vonoin'ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy.
malagasy
dia ireo vonoin'ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [na: izay nividy azy][na: nefa tsy atao ho meloka ireny]