Zechariah 11:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy NY TOMPO. Fa indro, Izaho hanolotra ny olona samy ho eo an-tanan’ny namany avy ary samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; hanapotika ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka azy amin’ny tanany Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, - teny marin’i Iaveh - indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho Tompo dia manao teny hentitra fa tsy hiantra ny mponin’ny tany intsony Aho. Indro fa hatolotro ho eo am-pelatanan’ny namany sy ny mpanjakany avy ny olona. Ary handroba ny tany ireo nefa tsy hanafaka olona amin’izany Aho.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy NY TOMPO. Fa indro, Izaho hanolotra ny olona samy ho eo an-tanan’ny namany avy ary samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; hanapotika ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka azy amin’ny tanany Aho.
malagasy