Zechariah 11:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.
Malagasy Bible 1865
Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.