Zechariah 12:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:
Malagasy Bible 1865
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teny faminaniana. Tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely. Hoy NY TOMPO, izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ny tany ary nanamboatra ny fanahin’ny olona ao anatiny:
malagasy
[Ny hampaherezana ny Isiraely sy ny hanamasinana azy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny: