Zechariah 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hamely ny soavaly amin’ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ny fahaverezan-tsaina; hampihiratra ny masoko amin’ny taranak’i Joda Aho ary hamely amin’ny fahajambana ny soavaly rehetra izay an’ny firenena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko; fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra ambarako, dia hataoko mandraingiraingy ny tahotra avokoa ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy ho lasa adala; hiambina tsara ny vahoakan’i Joda Aho, kanefa hampahajamba ny soavaly rehetra izay an’ny fahavalo.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hamely ny soavaly amin’ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ny fahaverezan-tsaina; hampihiratra ny masoko amin’ny taranak’i Joda Aho ary hamely amin’ny fahajambana ny soavaly rehetra izay an’ny firenena.
malagasy