Zechariah 12:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema.
malagasy