Zechariah 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hiteny aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’NY TOMPO; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy raha maminany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha misy mbola maminany ihany, dia hilazan’ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe: «Tsy ho velona ianao, fa nilaza lainga, tamin’ny Anaran’i Iaveh!» Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany no handefona azy eo am-paminaniany eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: «Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin’ny anaran’ny Tompo, kanefa dia mandainga.» Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hiteny aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’NY TOMPO; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy raha maminany izy.
malagasy