Zechariah 13:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy izay akaiky Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Asio ny mpiandry dia hihahaka ny ondry! Ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»
Malagasy Bible 1865
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy izay akaiky Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Asio ny mpiandry dia hihahaka ny ondry! Ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
malagasy
[Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.