Zechariah 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon’ny mponina amin’ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela.
malagasy
Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.